NY HADALANAO IHANY - MPANAZARY
Azo vakiana?
Lay tanana teo fahiny
Lasa aiza ankehitriny?
Ketraka aho,torovoka
Ilay farihy nanganohano
Aiza?efa ritra tsisy rano
Efa tototry ny vovoka
Dia izao ve sisa no niafaranao ry tany mamiko
Iza laotra no nahavita izao ka mijoro ho fahavaloko
Lozanao izay nanimba tsy nihevitra ny ho avy
Fa ny hetraketrakao no nahatonga ny fanavy
Mba mandry ihany ve ny eritreritrao ry mpigafy
Fa ny hasomparanao anie no nahatonga ahy tsy hitafy
Misaringimborodamba,tsy mahita izay hoanina
Ka nianjera, lavo mafy,potraka satria fanina
Dia ny hadalanao ihany tokoa ve ry olona?
Ka nanjary nifandringotra sy nifampitolona
Amin’ity fahantrana zakaina eto an-tany
Asa! tsy haiko! hadalanao ihany
Sokajy :
Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : MPANAZARY

Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 08/08/2011
Mpamangy : 971
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIARAHOVIANA NO HIPOSAKA?
RY TANIKO
IANAO NANDALO
RY FAHANTRAKO
LAKAN-JAHATRA
NOFY LALINA
IANAO
TSIAHY
NY JALIKO