TSIAHY (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray hariva izay efa mena vodilanitra
Nisy fahatsiarovana iray tonga tato an-tsaiko
Toa niserana nandalo, iza laotra fa tsy haiko
Tovovavy anakiray manana endrika maranitra

Toa ohatran’olona efa hitako, taiza anefa moa?
Iza laotra ary ianao?toa manadala ny ambiroa
Nisaina kely, namerimberina ireo lasako taloha
Teo vao tsiariko,fa ianao dia ianao tokoa:
Ilay tovovavy nihaona tamiko kisendrasendra
Fony izaho mpiliba, mbola mpirendrarendra
Teny antokotaniben’ny ditra sy ny hadalana
Fahatsiarovana tsy lefy,tsy hadino tsy hay fafana

Fihaonan’olondroa tao anaty hatanorana
Nogejain’ny haizimpito,notolomim-pahafahana
Tsy haiko aloha na sitrapo sa hoe: tsy fahalalana?
Kanefa dia nahatonga ilay taram-pahazavana
Ianao dia ianao tokoa,ilay vehivavy nankahalaiko
Fa hoe mpitory teny,manelingelina ny saiko
Kanefa tato aoriana nahitako fifaliana
Ny angolangolateninao sady tena nahaliana

Hay ianao ilay tovovavy manana endrika maranitra
Notsarovako tao anaty mena vodilanitra
Hay ianao ilay tovovavy,nieloelo tato an-tsaiko
Tsy ho adinoko ny soa noentinao ry sombiniaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1214 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 10/08/2011 12:00)
Tanteraka zany le nofy ô!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 10/08/2011 07:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141