MAHATSIAROVA - MPANAZARY
Azo vakiana?
MAHATSIAROVA
Any ianao, angamba tsy mahatsiaro akory
Fa ity havanao anie ka manina sy ory
Lavitra olon-tiana ka mangina manirery
Ka lasalasa vinany eto ambaravarakely
Raha mba sendra ny masonao mijery
Ka vakianao ity tononkaloko ity
Iangaviako, ataovy tsianjery
Fa ity no solotenako manoratra fitia
Angamba ianao mba hatsiaro ahy
Eny, na iray minitra monja
D’ efa ampy hamelombelona fanahy
Satria mavesatra, mafonja
Mahatsiarova, na lavitra any ianao
Mahatsiarova, tongava hamerina lalao
Ary ataovy an-tsainao fa ny foko tsy miova
Fa ny fangatahako dia mba mahatsiarova
Sokajy :
embona
Hevitra mandeha
Zozoro (08/08/2011 07:11:36)
Enga anie izy amaky ity vetsonao ity.
SIOKATOKANA (08/08/2011 07:21:20)
Mombamomba
Mpanoratra : MPANAZARY

Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 08/08/2011
Mpamangy : 1167
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIARAHOVIANA NO HIPOSAKA?
RY TANIKO
IANAO NANDALO
RY FAHANTRAKO
LAKAN-JAHATRA
NOFY LALINA
IANAO
TSIAHY
NY JALIKO