You are here: home > Vetso

Hamboraka fitia - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Hamboraka fitia

ahoana re no atao
hamborahako fitia aminao
ho alefako taratasy ary?
Sa ho ataoko toy ny kabary

iza anefa no hitondra
raha alefako taratasy
ilay teny diamondra
izay teny malagasy

izaho anefa tsy sahy
raha ataoko toy ny kabary
izaho toa manahy
raha iteny miharihary

dia ahoana re no atao
sa ho teneniko amin'izao
tsy ataoko kabary lava be
tsy ataoko taratasin'ny kahie

mmmhm, toa tsy tsitako ihany
izay hatao amin'izany
ahoana ihany re ity
f'izaho dia tena tia

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha