You are here: home > Vetso

Arabaina tratry ny faran-taona - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Arabaina tratry ny faran-taona

ho an-tsika mbola velon'aina
dia arabaina tsy maty fo aman'aina
fa mbola naha tratry ity andro ity
mitambara hatrany, mifankatia

dia miarahaba ihany koa
fa tratry ny faran-taona
izay irariana soa
ho tratrany amin'ny herin-taona

dia mba ho tratrany taona mifanesisesy
izay mbola ho avy manaraka
fa androany aloha mifety
sy miara-dia tsy misaraka

Sokajy : Tsingerin-taona

Hametraka hevitra

Midira aloha