fandeferana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandeferana

Malala a, tia anao aho ka aza ampijaliana
Tsy hahafoy anao na oviana na oviana
Fa matoa ianao nekeko fa tsy nolaviko
Dia efa natokako ho anao re ny hoaviko e

Koa miangavy, mitalaho, milela-paladia
Angamba efa fantatrao fa mijaly rehefa tia
Saingy akory tsy nosaininao mihitsy izany
Fa vao maika notohizanao hatrany ihany

Malala a, eny e. Raha izay moa no sitrakao
Tsy maninona mandehana fa azonao atao
Fa rehefa sambatra ianao dia izay no hiriako
Ka aoka ho ahy irery izay ho fijaliako

Satria tiako ianao, tsy foiko ianao
Ka ho fitiavako anao dia handefitra aho
Ka na rahoviana na rahoviana ry tiana
No hizaka izany fijaliana sy fahoriana

Ity tenako ity dia vonona aho Satria
Ny foko mbola tia, miandrandra ny doria
Izaho tsy hanakana izay sitrakao atao
Ka ho fanajako anao dia handefitra aho
--------
Rohy:
1472 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117