Ilay tena tiako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tena tiako

Izay tena tiako, no hotolorako izany;
Tsy mba mandalo, fa maharitra hatrany.
Fitiavana mamy tsy mety miofo:
Halaiko ho vady omeko porofo.

Izay voafidiko ihany no mahazo!
Ity raozy mena tsy mety malazo;
Ka homeko voady satria ho doria:
Hipetra, hanaja ho madio ilay fitia.

Izay voasoratra amiko tsy hay fafana!
Fa efa voasoratra amin'ny lalĂ na;
Mizotra tsara amin'ny fahamarinana,
Izay mampisaraka tsy ahita mangirana.

Ianao io, ilay efa anjara.
Efa voasoratra amin'ny tantara:
Ho vadiko hiteraka dimby sy fara,
Ilay tokana iray tsy mizarazara.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1296 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165