Ny tsikinao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany tsikinao izany
dia mitondra fifaliana
tena mamy hatrany
tsy hidiram-pahoriana
ka raha sendra alahelo aho
ny tsikinao no mamelona ahy
rehefa tojo hakiviana aho
ka mitady hamoy fo
ny tsikinao ihany ho aho
no mamelona ny foko
ny tsikinao raha vao jerena
dia miredareda ny ao anaty
tsisy intsony ny hasorena
angamba mandramaty
ny tsikinao no
nampientana ny fo
ny tsikinao no
mampitem-po ny fo
--------
Rohy:
517 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153