Raha ianao no lasa (Nalison Randrianaivo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao no lasaIzaho tsy handatsa
Sitrakao no atao
Safidinao ny handao
Ka mahaleova mahalasana
F'izaho koa tsy hitana
Tsy noterena ianao nitia ahy
Tsy notambazana ranadahy
Ka ny tianao no toavina
Dia etsy mahitĂ izay tadiavina
Malalaka be ny lalana
Mivoha koa ny varavarana
Raha ianao no lasa
Vetivety dia voafafa
Satria tsy ianao irery
No olona tokan-drery
Ka ndeha re mandehana
Raha toa ianao tsy tamana
Tohizo ny lalan-kofidiana
Dia mahazoa izay hiriana
Fa raha ianao no lasa
Dia tsy hisy hasolo hafa?
Ndao fa lalana izato izy
Ny fitia tsy kilalaon'ankizy
--------
Rohy:
Sokajy :
Hambom-po - fananarana - fanantenana - Fiononana - Fisarahana - embona - Fahatsiarovana - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Nalison RandrianaivoNampiditra : nalisonrandrianaivo2018
Daty : 12/03/2019 14:02