Tia anao izy. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anao izy

Matoa izy tsy mbola nandao
  Fa miaritra izay ditranao
Tiany ianao tsarovy izay
      Saingy asakasakao
Fa noho ianao ihany mantsy
   No nandeferany toy izao
   Kanefa tsy ho mandrakizay

Misy fetrany ihany koa
  Ny zavatra atao rehetra
        Na ratsy na tsara izany
Ny aina koa anie manam-petra
           Sy miserana ihany
Koa aza dia manao toy izao
Tsarovy fa mbola tiany ianao

Fa matoa izy mbola niaritra
Ireo vono sy felaka nahazo azy
         Dia mbola tiany loatra ianao
Saingy izy moa raha mba niangavy
       Raha mba nitaraina taminao
Tsy mba nahazo teny nahafinaritra
Na dia nitalaho sy nandadilady
       Nilelapaladia taminao

Matoa izy manao izay sitrakao
Manantanteraka, manome ho anao
       Manaiky izay baiko ataonao aminy
Tsy mba mamaly anao akory satria
Matahotra fa sao ho voafelaka indray
    Ka naleony nangina tokoa
    Miandry ny hitsiny sy ny tariny
Manaja izay tianao atao fa mbola tia
      Fa saingy tsy ho mandrakizay
--------
Rohy:
1351 1
Mpakafy: Haphy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167