Tiako hitoetra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako hitoetra

Ireo teny fitiavana sy angolanao
Tiako tsy foiko hatramin'izao
Ny angotiteninao tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany

Ireo hafaliana sy haravoravoana
Indrindra isika rehefa tafahoana
Izay sambatra ery tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany

Ireo horokoroka sy safosafo
Nifamipihina sy pimaso
Indrindra indrindra ireo teny mamy
Mbola tiako hitoetra eny ihany

Ireo fahatsiarovana tany aloha
Tiako hiverina indray avokoa
Ireo embona tsiahy tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
--------
Rohy:
1092 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143