Tiavo izy raha mbola velona (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiavo izy raha mbola velona

velona izy tsy notiavina
fa nahilikilika ary koa nolavina
velona izy raha nitaraina
dia nolakoina sy nokendaina

velona izy tsy norarahina
fa nampijaliana, nampahoriana
izao ianao mitomany
f'izy lasa nandao ny tany

velona izy tsy nohenoina
fa noratraina sy novonoina
izao izy any ankoatra
fa ianao tara loatra

velona izy tsy no hajaina
indrindra raha mba nitaraina
fa efa maty izy vao injay
tonga hidodododo indray

koa tiavo izy raha mbola velona
sao maty izy vao hanenina
--------
Rohy:
1163 4
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 08/01/2018 18:35)
rehefa maty anefa izy vao ramalala
ka nandatsahan-dranomaso
sy notolaram-boninkazo fa hoe hava-malala
ka somebiseby amin'ny fikarakarana tsy akiato
TIAVO IZY RAHA MBOLA VELONA MBA TSY HANENENANA HOE TAHAKIZAY
nalsonrazakariasa2015 ( 09/01/2018 07:26)
Izay mihintsy ry raims randriamalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159