Tokim-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokim-pitia

Hitia anao tsy hiato,
Eny... Tsy voafetra
Ny volana sy ny taona,
Fa ny aiko re no fetra
Fa ny foko efa vato,
Ka ho tia anao foana

Tsy hitsahatra hiteny,
Hanome tambitamby
Ary koa teny mamy,
Hanihany sy sangisangy
Eny... Ho anao irery,
Izany rehetra rehetra izany

Hihaino anao foana,
Hiaro anao hatrany
Hitsabo anao raha marary,
Hampangina anao tomany
Tsy avelako hisaona,
Tsy tiako ianao ho mosary

Tsy irery izany ianao,
Fa anilako hatrany hatrany
Mitoetra isan'andro
Eny atratrako eny ihany
Ka ho tantanako ianao,
Maraina hariva atoandro

Tsy foiko velively,
Tsy foiko ho zaraina
Tiako ho sarobidiko,
Ho tiavina sy hajaina
Eny... Ho ahy irery,
Satria efa nofinidiko

Koa vonona aho hiady,
Hitolona satria ianao
Ilay niriako hatr'izay,
Nitoetra ao am-poko ao
Ka mendrika ho vady,
Tiana mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3801 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155