Sanatria! - Nofy2
Azo vakiana?
fa angaha ianao mihevitra fa izaho rehefa tia
dia vonona ny hilanja ny ditranao rehetra
tsoriko aminao fa ataoko sanatria
izany hoe fitiavana tsy arahana fepetra
izaho manaja anao satria ianao no vadiko
vita ara-dalana fa nefa tsy midika
ny hitsakitsakao tsy ekeko sady laviko
aleo ianao mandeha manaraka ilay sipa
ny revirevinao zakako eny ihany
ny alim-podinao tsy dia iasako loha
fa ny vehivavinao tsy lefitro raha izany
ka tena tofoka aho ka aok'izay aloha
tsy mampaninona ahy ny tsy fahampiana
ato an-tokantrano izay iarahana mahita
fa laviko ihany kosa ny fandikana dina
raha toa ny famitahana no ataonao ditra
izaho tsy tonga lafatra ka hoe hizahozaho
fa izay rehetra nomeko dia ampy ho anao tokoa
ny anao efa safidy, akory mo atao
aleo re ny divorsa no homanintsika roa
Nofy2 30 Sept 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nofy2

Nampiditra : Nofy2
Daty : 06/10/2021
Mpamangy : 412
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ILAY TOVOVAVYTeny
Divorsa
Tsy misy azo atao!
Tiako ianao
HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady