Anjara Nantenaina (Ntoaris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SmS pour an'iMiuri!


Fony iano vao nitia dia nitia olona tao antinao tao
Tsy fantatrao hoe iza?tsy hainao hoe aiza?nefa teo akaikinao
Dia nitia olon-kafa ianao,hita fa tafaroboka
Kinajo!indray mandeha ihany ny fonao no nidoboka
D toa nahakivy anao,lay notiavinao fa ts izy angamba
Dia nitady olon-kafa ianao,tsy ankifidy saranga
Fitiavana ny anao,fa mbola miandry izay ho anjara
Fitiavana lasa aloha raha noheverina ho tara
D ngamba tsaroanao lay fitia fony vao nifoha
Dia notiavinao indray ilay tinao taloha
D noraketinao am-po,adino lay tao an-tsaina
Moa v io tinao io no Anjara Nantenaina?
Raha izy no izy d raiso ny findainao
d alefaso sms hoe"Ntoaris!tiako ianao"
fa ho valiako avy hatrany hoe:"zah koa tianao"
dia ankinina @Ray zao fitiavantsika izao
mba ho fitia mandrakizay,ifhatsara,ihavao
ka na ady mahamay,na rivo-doza no mamely
Ny fitiavatsika roa tsy ho rava velively.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1474 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntoaris
Nampiditra : Laaris
Daty : 16/07/2012 09:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014