Ny FIainana (Ntoaris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zava-pisotrokoraha vao maraina!
kafe na dite,ny mofo teha-maina
Ny mety ho laoka maraina radem
Sosoabe rano miampy menimenina
Ny hany mba fihinako aorian'ny vary:
Deseran-datsa miampy voasary
Ny nahazo ahy vao tonga tao ambovo
oroka farany miampy lakon'angovo
Ny feo henoko farany alohan'ny hidasy
"Veloma ry tiana"narahim-poa-basy
Teo alohan'izay aho nivavaka farany
Nidera an'Andriamanitra,niantso ny anarany
Dia injay aho fa natory ka tsy hifoha intsony
Nanomboka teo ny fiainako vao tena tony
Nomen'Andriamanitra tokoa ilay torimaso mamy
Mba tsy harenesako intsony ny ngidin'ny tany
Nikipyny masoko,nijanona ny foko
Tsy hitako akory ireozay nisento,nitoloko;
Tsy reko akory ny formolin-dRadoko
Fa ny ahy ny fantatro,ny hany tsaroako
Hoe any @Ray ny fanahiko aloha
Any izy no iaina ny fiainana faharoa
Izay fiaianana mamy tsy misy otrzan
Fa tsy fiaina-mangidy toy ny ety an-tany
Ny sakafo any tena ara-dalàna
Tenin'Andriamanitra,Tsiky,Fiderana
Any fiainana tena mahatamana
Tsy misy korontana,toujour salama
Izany rehefa anilan'ny Tsitoha
Mandia volamena,mitanisa vatosoa
Any no fiainana ny fahasambarana
Satria tsy lany mihitsy raha fiadanana
Any aho rehefa miaina tsy voelingelina
Koa dia misaotra ry Ray,mankatelina
Any aho Faly foana miaraka @Mesia
Zany no fiainana tena "FI"
--------
Rohy:
2077 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntoaris
Nampiditra : Laaris
Daty : 06/07/2012 08:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123