Lavitra...tsy hita (Ntoaris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo,sentosento,ranomaso sy ny sisa
No nameno ity foko ka tsy ho voatanisa
izato ranomaso:orana mipatrapatraka
Ireto volomaso:miongotra,milatsadatsaka

Izany ve no atao hoe fijaliana?
Rehefa lavitra na tsy hita ny olon-tiana
Ankoatry ny manina olon-tsy manina
izany ve no fijaliana mahafanina

Fanirian'ny jamba hono ny hijery"cinema"
Fanirian'ny moana ny hanao"PAZZAPA"
Fa mba faniriako,ary tena faniriako
Ny hitoetra hatrany anilan'ilay tiako

Saingy lavitra azy moa ka akory atao
fa miaritra hatrany izao fijaliana izao
Nefa hinoako fa ho avy ny fotoana
ny foko afa-jaly,izahay roa tafahoana

Amiko manoka zany............

Ankoatry ny gidragidra,tabataba sy ny ankaso
Tsy fahitana ny olon-tiana no tena mamonto maso
Ankoatry ny eson-teny,nyè kina sy ny latsalatsa
Ny lavitra olon-tiana no mandona sy mandratra

Raha mbola tany koa ny tany........
--------
Rohy:
2295 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntoaris
Nampiditra : Laaris
Daty : 09/07/2012 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101