Any (Ntoaris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any misy sipa zay notiaviko fahiny
Any misy sipa zay notiaviko efa ela
Any misy sipa hafa mbola tiako ankehitriny
Any reo any!fatsiarovana sisa tavela.

Any misy iray sipa tsy fantatro akory
Any misy iray sipa nanaitra ity foko
Any izy any!mahavaky loha,mampahory
Ry tsy fantatro anarana!ny endrikao no tsy ho adinoiko

Any misy tovovavy lasa tiako teny an-dalana
Any misy tovovavy tsy azoko hafoina
Any izy!lay nataokohotena namana.
Any lay namako tiako tsy haiko adinoina

Fa maninona no sipa,sipa!zany foana
Sipa!izany no mampitaraina
Sipa!izany no andaniana fotoana
Sipa!fa nahoana?mahalasa saina!!!!

Fa maninona raha izay tia no tiavina
Raha sipa tia no ndeha holalaina
Fa ireo tsy hita lavitra any no tadiavina
Ireo tsy fantatra no mampiasa saina

Raha ireo rehetra ireo no aravona
Ndeha ho dinihina avy ny mpifankatia
Fa ao lay toetra tsotra,teny iray tsy miavona
"Amour " mira fitia atakalo fitia.
--------
Rohy:
1354 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntoaris
Nampiditra : Laaris
Daty : 05/07/2012 11:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149