Ny Saina sy ny fo. (Ntoaris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nikorisa ny peniko,nikorisa tokoa
Baikon'ny saina,baikon'ny fo
Fa hoe mandondona azy ny aingam-panahiny
Ka ny kalom-pitiavana no tena katsahiny

Fa nahoana ry saina no dia mapahory
manaitra andro alina tsy ahitan-tory
Tsy vitan'izany fa mbola izao koa
Navoaka daholo ny vetson-RaFO

Dia tsy naharitra RaFO fa dia niboredika
Nitantara ireo nofy sy ka nitototrebika
Zay tao anatiny rehetra navoakany avokoa
vaolaza ny ho avy,ankehitriny,taloha

Hay ve toy izany ny fo rehefa taitra
Milaza hafaliana,alahelo tsy laitra
Ny fiainam-pitiavana tsy araka intsony
Fa voatantarany daholo izay rehetra tsaroany.

Alin'ny19/10/10 23h29
--------
Rohy:
1337 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntoaris
Nampiditra : Laaris
Daty : 18/07/2012 09:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141