Ny anjarako (Ntoaris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitia izay notandremako
Notandremako hatriny ny ela
Ilay hany mba harenako
No indro sahiko omena

Indro atobako eto izao
izay rehetra mety ho fantatro
Hnambarako aminao
fa anao irery ny fitiavako

Maro loatra raha ny teny
Natao ho fanomezan-toky
Nefa tsy ampiasaiko ireny
Fa toa sary anty boky

Omeko anao ary ny tena mamiko
Tandremo nefa sao simbàna
Io mantsy tsy apindramiko
Fafoiko ho anao,tsisy analana

Tsy vazuvazy sanatria
Na koa fitsapana anao
Fa fitia ho doria
raha toa ka sitrakao

Ka raha ampy ny fitiavako
Tsy ho tadinao ny tsisy
Dia ianao irery no anjarako
Tsy ho tafasaraka mihitsy

ka raha anakarako ny kintana
no hany ahazoako anao
an hojonoiko
amin'ny Fintana
Dia aoka ho amin'izao

Ka ianao dia tsy ho jonoiko
Fatena tiako loatra mantsy
Ka raha tsy maintsy hafoiko
Dia ho very aho,hangasihasy

Dia isoratra ny tanatarako
Lohateny:Tsy fantatro ny anjarako.
Dia hitohy ny tonokaloko
Lohateny:Ny andro maloko

Alin'ny 14/05/10
--------
Rohy:
1823 0
Hevitra mandeha
Laaris ( 18/07/2012 10:42)
Ny anjarako tsy fantatro
Ny androko tsy mety mihiratra
Ny fitiavana tsy takatro
Ny any ataoko dia manoratra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntoaris
Nampiditra : Laaris
Daty : 18/07/2012 10:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144