Hataka (Ny Avana Ramanantoanina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo anay, ry alina,
Ny fahanginanao,
Fa be ny zava-dalina
Izay miafina ao.

Omeo anay, ry volana,
Ny fibaliakao;
Ny fo izay mifanolana
Mba samy hazavao.

Omeo anay, ry kintana,
Ny fandeferanao
Fa sompatra ny vintana
Ka tsy hita izay hatao.

Omeo anay, ry rahona,
Nv fiafenanao;
Mangidy toy ny vahona
Ny adidy mba hatao.

Omeo anay, ry tselatra,
Ny fitsoriakanao;
Ny fandrika mivelatra
Esory sy alao.

Omeo anay, ry fasana,
Ny fitsimbinanao
Mba tsy halaky lasana
Ireto aina vao.

Omeo anay, ry fiainana,
Ny mamy aminao;
Ny ora. itarainana
Tapero sy ravao.

Omeo, ry fitiavana,
Omeo ka mbà valio.
Ombay hasoavana
Ny hatako eto anio.
--------
Rohy:
11700 6
Hevitra mandeha
zakilinina ( 29/11/2004 23:38)
Tiako ho fantarina hoe oviana no nanoratan'Ny Avana Ramanantoanina an'ity tononkalo ity ? Diso fata-dàza loatra ity poeta ity ka tsy tokony hadinoina.
ds ( 06/12/2004 23:03)
Nivoaka tao anaty "Ny Lakolosy Volamena" tamin'ny 20 oktobra 1911.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina
Nampiditra : ds
Daty : 20/08/2004 00:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101