Hay ty jamba aho - Ny zo Rado Herizo
Azo vakiana?
Fitia tsy niova loko
F'ilay tena tato am-poko
no natolotro azy
tsy ankivazivazy
fa tamim-pitiavana
....Kinanjo dia fandavana
Nandrava faniriana
Nandratra ity fo nihevitra fa tiana
No navaliny ahy
Toa mampiahiahy
...
Satria raha ny fihetsiny, fijeriny, fiteniny
dia toa manambara ny zavatra afeniny
Nahoana aho no tsipahiny ?
Nahoana aho no fitahiny ?
Sa ireto masoko no jamban'ny fitiavana
Ka dia afangaroko ny mainty sy ny mavana ?
Sa izato fony manan-kantenaina
Manan'olon-tiana tsy azony sandaina ?
... indrisy...Sento sy toloko
sisa tao am-poko
Fo adaladala
minia tsy mahalala
Tsy tony fa mitroatra
angamba babo loatra
Ny zo
Hevitra mandeha
nyzo (13/07/2005 11:22:22)
ahitsiko kely fa ny lohateny dia hoe:" Hay Jamba aho"
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzoDaty : 13/07/2005
Mpamangy : 1341
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
INY OLONA INYALEO MANADINO
Noelin'ilay mpanasa lamba
Ho inonao
Tsaroako
Tsaroako
Ny tena fitiavana
Vavaka
Handroso fa matoky
Adala taminao