Tia fa tsy tiana (Ny zo Rado Herizo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly ve ianao
raha indry voatohim-bato ilay tongony hamindra
Faly ve ianao
satria nalana taminy ilay maminy indrindra
Faly ve ianao
fa toloko no mba setrin'ireo anjara asany
Toa faly ery ianao
fa lasa ny olon-tiany, rava ny kinasany.

Nefa ianao milaza fa
"Ny hahasambatr'azy, izay no faniriako"
Nefa ianao milaza fa
"N'inona miseho dia izy no efa tiako"
Nefa ianao milaza
f'ilay fitiavanao dia tsy resin'ny eto an-tany
kanefa dia malaza fa
ny fifalianao dia izy mitomany

Izany ve no TIA
Sa izany notsy TIANA
Toa izay rehetra atao dia maneho ny faharatsiana
Tsy aleo ve ry sakaiza manova vazo vao
raha hita fa mivalana izato vazonao.

Ny zo
--------
Rohy:
2976 0
Hevitra mandeha
johan ( 25/04/2005 12:01)
Tsitako ze tenenina @ ity afa tsy hoe mety, tsara ilay ainga-panahy
Malalason ( 11/03/2006 12:42)
mihirĂ  ny hiran'ny Fanantenana...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 25/04/2005 11:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137