Tia sa tsy tiana (Ny zo Rado Herizo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly ve ianao
raha indry voatohim-bato ilay tongony hamindra
Faly ve ianao
satria nalana taminy ilay maminy indrindra
Faly ve ianao
fa toloko no mba setrin'ireo anjara asany
toa faly ery ianao
fa lasa ny olon-tiany, rava ny kinasany.

Kanefa ianao milaza
fa "Ny hahasambatra azy, izay no faniriako"
Kanefa ianao milaza
fa"Na inona miseho dia izy no efa tiako"
Kanefa ianao milaza
fa "Ny fitiavako azy, tsy ravan'ny eto an-tany"
Kanefa dia malaza
fa ny fifalianao dia izy mitomany.

Izany ve no tia, sa izany no tsy tiana ?
toa izay rehetra ato dia maneho ny haratsiana
tsy aleo ve ry sakaiza manova vazo vao
fa hitako mivalana izato vazonao.

Ny zo (mai 05)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fitiavana
2081 0
Hevitra mandeha
nyeja ( 06/07/2005 08:43)
tsara ilay tononkalo ry nyzo a mahereza hatrany e
NyKanto ( 06/07/2005 12:45)
Miombon-kevitra amin'i Ny Eja eh!
Mazotoa manoratra.

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 05/07/2005 13:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099