You are here: home > Vetso

BARAINGO ? - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Azo vakiana?

Andao ho avela ary ny fahotany
dia tsy ho torahana izy
fa ho hitanao ny fanjakazakany
amin'ny ratsy amin'ny maha azy biby.
.
Dia andao ho torahana ary izy
ka ho tafaraka samy manota
ho biby mamono ny biby
fa ny maha samy hafa azy kosa.
.
Dia misy biby tsy mamaky trano
misy biby tsy manao dahalo
fa fotsiny mampihatra lalana
manafoana mpanao fahotana.
.
Ka anjaranao no misafidy
na ho biby hivadika biby
hanao abibiana ny ratsy
dia ho afaka am-bavan'ny basy.
.
Na hijoro tsy hitora-bato
dia hanaiky izay tian'ny malaso
amin'ny rehetra izay hanaovany azy
dia avy eo ianao modimandry.

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha