MATOA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Azo vakiana?
Matoa ianao ry zanako sombinaiko tiako
navoakako tam-bala fa tsy tao nidiako
dia izao no tadidio sy ataovy an-doha
hoe matoa ianao afafiko etsy sy eroa
dia tsy ahy irery intsony na zanaka Nahary
fa efa hitambarako amin'ny hafa tsy niangaly
ny tady mba hatsipiko any an-tandrokao ry omby
nisy namoaka tao am-balan'dray sy reny
dia izao: raha tsy nisy ny akoho dia tsy nisy ny atody
ka mba tsarovy ihany ilay tena tompon'teny
mba ianao miteny fa aza dia moana eo anatrehan'ny jiolahy
tsy tena ray sy reninao ange io ee fa mpangalatra fanahy
in boky mbola hoavy takila 20
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Nampiditra : rafenomanantsoasantatra
Daty : 27/05/2019
Mpamangy : 419
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
JAMBABARAINGO ?
MITOMANY
RAHA IANAO
AVERIKO
FARARA MALALA
ERITRERITRA DIA AMPY
MPITARI-BATO VILAM-BAVA
NENY
Fetin'ny taranaka tao amin'ny FJKM MERINAVARATRA