RAHA IANAO (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao Ravalo
no lasa filoha
dia izaho hanao dahalo
dia avy eo hiova fo
.
Fa ilay hery vaovao
ato efa miala aina
dia ianao indray zao
no mba azo antenaina
.
Sa ve ilay mpitandrina
milaza ho voairaka?
raha iny aloha dia lavina
tsy aleoko ve i Ratsiraka
.
Raha iny no lasa filoha
dia izao no fantaro
ho ringana avokoa
ireo karazam-biby maro
.
Raha ianao Remena
no lasa mahitsy
dia ireo mpivaro-kena
ho feno tsikitsiky
.
Raha ianao Ralala
no lasa filoha
dia izay miadaladala
omeo ny tic tac do
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164