Fetin'ny taranaka tao amin'ny FJKM MERINAVARATRA (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro no naniry hahatratra ny andro androany
sainga moa indramina ny miaina eto an-tany
tsy tompom-pandaharana isika ny amin'ny aina
isika izao no nahatratra ka dia arahabaina e!
.
ny tompo Zanahary mpandahatra sy hendry
isaorana indrindra fa izy no nanendry
sy namory antsika izao tsy navelany hihanaka
tafahoana isika noho ny fetin'ny taranaka
.
ry mpiara-manompo eto MERINAVARATRA
arahabaina isika tongasoa ka tafaraka
na isika eto an-toerana tompon'ny fankaherezana
na isika vahiny sy zanaka am-pielezana
.
tonga eto isika noho ny fitahian'ny avo
ka tretrika sy faly,mirana sy ravo
isaorana ny tompo nanome ny tombon'andro
nahamirana antsika sy nanolotra masoandro
.
aza adino ry havana ny teny azo eto anio
isan'andro izy ireny iaino sy tadidio
tonga eto ianao anio noho ny tendrin'ny avo
koa mirana endrika,mifalia,miravo
.
samy ho tahiany amin'izay rehetra atao e!
ny heloky ny diso taminao koa avelao
izy mahalala ny fitondrana antsika
tiany isika zanany tsy hisy hifanditra
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Nampiditra : rafenomanantsoasantatra
Daty : 22/11/2017 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319