AVERIKO (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Averiko ampidirina ato anaty lektera
ny diska efa kiaka tamin'ny eritaona lasana
dioviko ny saiko dia averiko jerena
ireo sary niarahanay sy tiana efa any am-pasana
.
Atodiko any an-dasa izay mbola velon'aina
ny masoko mitaratra ireo sary sovenira
ataoko sanatria ny hanapiaka izato saina
jeren'ny eritreritro miaraka ilay tiana
.
Ivavahako tsy ho tapaka ny jiro anaty havoana
anisany manampy ny embona sy ny hanina
enga anie tompo mba hirehitra eny foana
ireo tsiaro tena tiako na dia fahavalon'ny alina
in boky mbola hoavy takila 25
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107