ERITRERITRA DIA AMPY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Eritreritra dia ampy hamoronana malala
rehefa te hitia ny saina sy ny fo
fotsiny mamboly voninkazo adaladala
ao anaty karandoha
dia milamina ny bandy
fa tsy mila hoe mitady
karazam-boninkazo eny ananonanona eny
fa ao dia misy anjely
Eritreritra dia ampy amonoana ilay lalaina
rehefa te hifindra any am-pasam-bony hafa
fotsiny hongotana ilay ao an-tany karankaina
dia volena ao indray ilay vony zay vao zaka
in boky mbola hoavy takila 34
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Nampiditra : rafenomanantsoasantatra
Daty : 26/05/2019
Mpamangy : 687
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
JAMBABARAINGO ?
MITOMANY
RAHA IANAO
AVERIKO
MATOA
FARARA MALALA
MPITARI-BATO VILAM-BAVA
NENY
Fetin'ny taranaka tao amin'ny FJKM MERINAVARATRA