MPITARI-BATO VILAM-BAVA (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olona mahay momba io Andriamanitra io
no tena misy devoly
jerena mody mpitandrina ivelany madio
nefa ny ao am-pony
tena feno fahotana
Izy no tompony raha resaka hadalana
Aroniny tsy mora amin'ny resaka jesosy
ny volanao am-paosy
dia iny ianao mandrotsaka vola anaty boaty
nefa izy no mitaty
ny vidin-katsembohana arotsakao mpivavaka
Fenony ny lavaka
faranany ny fotoana
mantsy ianao fa noana
amin'ny ora farany
anononanao ny anarany
ataony malaky be ny amena jesosy
fa maika hanisa sosy
Copy Right anio 26/05/19 in boky mbola hoavy takila 12
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1053 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119