NENY (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho azoko vonoina
na odian-tsy hita akory
ny fitiavanao ry neny
n'inon n'inona midona
na mijaly aho na ory
dia tsy niala ianao fa teny
nitondra ahy sivy volana
nitaiza tamin'ny taona maro
adidinao daholo izany
niainanao karazan'olana
karazan-ditra mifangaro
ianao anefa teo hatrany
zava-dehibe tokoa
tsy ho voavaliko na oviana
na ho voavidy velively
fa hataoko lovasoa
ho an'ny taranaka any aoriana
ny fitiavanao ry neny
koa misaotra anao ry neny
nanabe sy nitaiza
ity zanakao maditra
fa ireny anatrao ireny
tsy ho voafafa n'aiza n'aiza
tsy hay vonoina na hafindra
ny tonombavako dia hoe
ho ela velona ianao
ka hahita valim-babena
amin'ireo taranakao
ary Andriamanitra anie
hanome sesehena
ho valin'ny fitiavanao
any anefa indray andro any
tsy hahitako anao intsony
hampalahelo sy hampijaly
ny anatranatrao anefa
hampitraka hampitony
hampihena fo marary
ka haveriko ombieny
be fitia ianao ry neny
ka ho rako-tsarobidy
ilay fitia tsy voavidy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1317 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096