MITOMANY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Azo vakiana?
Mitomany ny fo mahatazan'irony talaho
ataon'ilay tia amin'ny tiana mandao
dia manontany tena hoe,mantsy raha mba izaho
no itomanian'ny tiako toy izao
.
Dia ho sambatra ny foko satria
izany lehiretsy no tena fitia
nefa moa rahoviana vao mba hisy
izany voninkazo hitomany ity fo tena tia
.
Ny tazako sy hitako zao dia ny lisy
itomaniana sy ilelafam-paladia
fa ny voninkazo tiako handatsa-dranomaso ato
manao fo vy sy manao fo vato
.
Toa mampite hiteny hoe avia manatona
fa aty koa misy fo tahak'anao voadona
dia hiarak'isika efa samy voaratra
mba hampiseho ilay fitia lalim-paka
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Nampiditra : rafenomanantsoasantatra
Daty : 06/01/2021
Mpamangy : 133
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
JAMBABARAINGO ?
RAHA IANAO
AVERIKO
MATOA
FARARA MALALA
ERITRERITRA DIA AMPY
MPITARI-BATO VILAM-BAVA
NENY
Fetin'ny taranaka tao amin'ny FJKM MERINAVARATRA