You are here: home > Vetso

JAMBA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Azo vakiana?

Jamba aho teo aloha
Jamba aminao ry Andriamanitra
Diso loatra tsara fo
ka tsy nijery afa tsy ny lanitra.
.
Diso nanao ny marina loatra
ka tsy nety mba nivoatra
fa nahantra foana teny
noho ny herinao ry teny.
.
Ankehitriny aho zao mahiratra
Mahiratra aminao ry tsy misy
Lasa deba toa Didier Ratsiraka
raha vao nitanjo ny kipy.

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha