ADALA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADALA

Adala ianao ry foko !
Vao teo no nitoloko
dia manina sahady,
fa tojo tambitamby
avy amin'ilay nandratra ?
Sa kosa efa zatra
mamela toy ny zaza ?
Na io saiko io aza
maniry hanova loko
ho botoboto saingy
adala ianao ry foko !

RAVANONDRAZANA
12 Desambra 2022
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
452 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 12/12/2022 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116