INONA ÀRY IZANY ? (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INONA ÀRY IZANY?

Natao hakasokasoka eny fotsiny dia izay.
Natao haverimberina amin'ny faritra iray.
Natokana ho raisin'ny tàna-manavanana.
Tsy zavatry ny làlana fa zavatry ny trano,
Tsy mba maty an-drano...
Mazàna tsy tsaroan'ireo tsy mivaky loha.
Tsy misy mampanahy, tsy zava-mora lò.
Natao mba ampiasain'ny vavy sy ny lahy.

Jerena mody kely fa manongotra tsy nahy.
Izy fisapisaka,
fa kosa mampifitsaka ny toerana lalovany.
Mivadika ny lohany? Mibona ny rehetra !
Soa tsy misy fetra no atolony isan'andro,
indrindra ny maraina miposaka masoandro.


RAVANONDRAZANA
16 Novambara 2022
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 21/11/2022 04:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011