TSY EKENA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY EKENA


Tsy ekena raha ny mpianatra
hitondra soa ny taniny
no ankilabao, voaangatra
sy mihinana ny anganony.

Tsy ekena raha ny mpianatra
manohitra ny tsy rariny
no arirarira fatratra...
meloina ho mpilavaniny.

Tsy ekena raha ny mpianatra
nomena fanabeazana
no hanaiky izay alahatra
na efa Edena ngazana
no tambin'ny hasasàrana.


RAVANONDRAZANA
13 Desambra 2022
--------
Rohy:
Sokajy : fianarana - Fitakiana
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 16/12/2022 06:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101