You are here: home > Vetso

MIRARY SOA FANILO - Ravanondrazana

Azo vakiana?

MIRARY SOA FANILO

Migadona ny andro, mipaika ny fotoana...
io fa mitsingerina ny andro sy ny volana.
Na aza mafy ny ady dia mbola iny foana
mijoro sy mitràka mamakivaky ny olana.

Ka miarahaba anao ny tary aty Avaratra.
Mirary anao ny soa sy ny lafatra rehetra.
Aoka hanetritena fa ireny no hasandratra.
Dia apetraho mazava izay tena tarigetra
mba ho valahara: hamefy sy hitsilo...
Izay sy izay aky fa ny anjarako aza adino a!
Ifalio ny androany dia mirary soa Fanilo!

RAVANONDRAZANA
28 OKTOBRA 2022

Sokajy : Tsingerin-taona