ZETRA (Ravanondrazana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZETRA

Zetra iray ny fiainako...
- Zetra feno hatsika
sahala ny any an'ala.
- Zary fanaintainako
ilay andro mibaliaka
manompo ny fanala.

Zetra iray ny fiainako...
- Sakaizan'otsakotsaka
sy lavitra fivoarana.
- Mandà ny fitarainako
revo anatin'ny oraka:
tolefin'ny hasasàrana.

Zetra iray ny fiainako...
- Zetra feno vendrana
sy rano tsy hay fehezina.
- Dia lasa ny fisainako:
"Aiza kay no ihorenana
sy làlana hotetezina ?"

Zetra iray ny fiainako...
- Lehibe sy mankadiry
mandrakitra ny lasako.
- Zetra tsy ho mainako
na aza ary aho hikiry
hamafa izany tavako.

Zetra iray ny fiainako...
- Mitokana sy maona
tsy nahalala mpiasa...
- miandry ilay marainako
hanaisotra ny saona
sy hitombana ny lasa.
Indrisy anefa, fiainako...
Fa izany no ahafoana
ny rindra sy ny satan'
izao voary rehetra izao.

RAVANONDRAZANA
24 SEPTAMBRA 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Zava-boahary - fiainana
325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 21/11/2022 06:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102