HIAKAN'ANABAVY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIAKAN'ANABAVY


Andraso kely valy a !
Mialatsiny niantso fa kotsan-dranomaso
ny ondan-dranabavy, omaly vao maraina !
Tsy tokony hitaraina
tsy te andefa saina aho raha izany fotsiny.
Saingy omaly ariva ? Niova be ny lokony !
Tsy dia hoe sarotiny, tsy miseho ho tompony
fa kosa malahelo raha naheno fokofoko,
naheno feo toloko
nanàko moramora avy any an'efitranony.
Baraingo hatreto ny antony...
Tomany foana i bavy nandritra iny alina iny.
Mampangidy rora ny mandinika ny masony
nony tra-maraina.
Bongo mahonena tsy sahy ny mitaraina
ilay fanaka malemy rakofan'adin-tsaina.
Ka izay sy izay ry valy fa asakasakao a !
Misaotra anao namaly naharitra nihaino.
Fa i bavy hatramin'izao
Tomany sy tolefika ao an'efitranony ao !


RAVANONDRAZANA
10 Desambra 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 12/12/2022 11:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108