FAHASAMBARAKO (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHASAMBARAKO


Endrey ny fahasambarako fa lasako ihany ny entana.
Ny vidiny aloha henjana,
saika nahakivy. Saingy lafatra izy...
nanosika ahy hikiry tany anatin'ny ady varotra.
Ny akama nihanihany f'izaho no tena matotra
ary vonona ara-bola.

Mitsaika moramora mambabo ny aty foko
ilay feony malefaka.
Ela izay niaretana e!
Indro ny ody reraka mitady izay ampiadanina
hitaingina eo amboniny, mizaka ny entam-be.
Kanefa na dia izany tsy maintsy hisahiranina
ny antoka hiarovana amin'izay rehetra aleha,
ny solika etsy andaniny.

Endrey ny fahasambarako fa lasako ny maminy.
Izy maivamaivana sy azoko bataina amin'ilay hitiavako azy.
Omeko tambitamby amin'izay fotoana tiako...
Izy ilay niriako nanomboka hatry ny ela
Dia angalàko dera f'izaho 'lay "bandy degany".

Sasàko tsy hisy pentina ny laingony amam-pelany.
Na aza hiraikitra aminy ny tasy teny an-dàlana:
be ny mpanakora fa tsy asiako fandaharana,
tonga dia avy hatrany kosehiko amin'ny rora.
Endrey fahasambarako, tahaka ny hoe manidina,
Izy aloha mandamina raha samy "Tosimilina".



RAVANONDRAZANA
14 Novambara 2022
--------
Rohy:
468 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 21/11/2022 04:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108