FITARATRA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITARATRA


Raha tojo tsy fanànana
Gisitra am-pianarana.
Mikatsaka vahaolana ?
Fitaratra hanatonana !

Ny fitaratra jerena e !
dia manontania tena.
Banjino sao mahita
endrika amam-bika
afaka hianteherana.

Ary asio fiheverana
manombok'eto ny ora
tokony hitetezana
ny manamanam-bola.
Ireny hatrany ekena,
fafiny ho an'ny tena io
no sady koa harena.

Ny fitaratra jerena e !
Angamba mety ahita
'lay tsiky manantena,
tarehy mipitrapitra
mandàla fahendrena
tsy manan-tsiny kely
Voaana-dray sy reny.

Ny fitaratra jerena e !
Eo mahatonga saina
hitsinjo ny maraina.
Dia mila zatra mihafy
manohitra ny ratsy.
Mila manan-kambo
n'iza n'iza hambabo
hitarika any ankady.

Ny fitaratra jerena e!
dia takatrao sahady
ny zotra sy paik'ady
mitondra fandresena.


RAVANONDRAZANA
09 Desambra 2022
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 12/12/2022 10:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117