ALEO IZAHO HANGINA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO IZAHO HANGINA...

Aleo izaho hangina,
Hampiakatra ny soratra hifarana amin'izay!
Ny amintsika mantsy...tantara iray
Efa fantam-piafarana fony niandoha,
Ny amintsika mantsy...aretim-po
Niniana novolena handavaka ny tany!
Aleo izaho hangina,tsy hahatsiaro izany,

Aleo izaho hangina,
Tsy higoka intsony ny fiadanana aminao,
Na hangidy am-bava izao teniko izao!
Ampy nifaliana ireny vita ireny...
Avelao ny anjara no hamaritra ombieny,
tsy hipody intsony,aleo ny lasa ho any!
Aleo izaho hangina,tsy hahatsiaro izany

Aleo izaho hangina,
Hanohy ny vetsovetso anaty takariva!
Tsy haka sary an-tsaina ny feonao mirindra,
fa hamboly fitsikiana anatiko mahatsiaro,
Kanefa tsy hahatsiaro ny ora nandalo,
Tsy hametraka ireny ho tsangam-bato hatrany,
Aleo izaho hangina,tsy hahatsiaro izany...

Aleo izaho hangina,
fa tendrombohitra efa rava ny taona niarahana,
tantely efa faikany ny hamamin'ny fitiavana!
Lavenona efa fotsy no navelan'ny omaly....
loharano ritra no hitako androany,
ny fontsika toy ny voron- kely very akany,
aleo izaho hangina,tsy hahatsiaro izany...

Joda RAZAKASOA
--------
Rohy:
830 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151