AZA MIANGAVY INTSONY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity tononkalo ity dia setrin'ilay tononkalon'i JNB "MIANGAVY FARANY"


AZA MIANGAVY INTSONY


Ianao ry namako aza miangavy azy intsony
ataovy ampy ireny fiangaviana fitiavana ireny
saingy indray andro any mbola hotsaroany
fa tany nisy olona nitia azy ombieny ombieny

indray andro any dia izy no hiangavy
tsy maintsy hoavy izany ary tsy ho ela akory
hanao fikaroana izy ary tena hitady
nefa tsy fantany,fa ny fitiavanao azy efa natory

ka iangaviako ianao hangina ankehitriny
aza mandefa fisainana any aminy izany
mbola ho tsiaro ao an-tsainy ireo fahiny
hoe tany nisy olona nitalao sesilany

indrisy anefa! fa ianao efa manana olo-tiana
afaka hanala anao ao anaty haizina
amin'io fotoana io izy hoy ianao ho gina
aleo izy hitomany fa mendrika ho faizina

RAZAKASOA JODA
--------
Rohy:
1241 1
Mpakafy: 03314
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163