EFA TAONA MARO (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA TAONA MARO

Efa taona maro no miaina anaty hirifiry...
misotro,migoka ny ngindin'ny fiainana!
ny tsirim-panantenana tsy mbola mitsiry
fa rakotra tsilo tsisy hitarainana,

efa taona maro no niantso vonjeo...
mitaraina ny taniko fa tsisy mamaly,
ny kalon'ny fony,kalo mitoreo!
ventesina hatrany anaty tomany,

efa taona maro no niaretana teto...
nikatsahana ny soa,ny tsara!
ny fofom-pahantrana no manentoento
o!indrisy...lavo i Madagasikara!

efa taona maro no niandrandrana famonjena...
nifandimby teto ireo karazana filoha,
saingy indrisy...indrisy mampahonena
f'izy rehetra ireny dia iray loha,

mihika ny taniko fa tsisy mamaly...
mitaraina ny taniko fa tsisy mamonjy,
mivavaka ny taniko fa tena mijaly,
miantso toy ny mpiandry very zanak'ondry

saingy...saingy tsisy valiny!

Diam-penin'i JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
1016 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014