FA ANIO... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA ANIO...

Rehefa takariva
dia misy bitsik'iva
manako am-peo milanto,
milaza tsy miato
fa kanto loatra ianao,
ny takariva tahak'izao
dia fifaliana ho ahy,
miainga ny fanahy e!
rehefa injay lalovanao,
ny ao anatiko ao?
mibitaka mangina
sy maniry ny ho tiana,
ny tsikitsikinao...
ny feo manganao...
ny fidolanao...
ny fijerinao...
dia misarika ambiroa
manaitra ny aty fo!
fa anio angoniko ny heriko!
rahampitso no ateriko
amin'ny fandalovanao
ny enta-mavesatra ao anatiko ao,
ary hilazako...
ary hanambarako
fa tiako ianao ho tantanana
ry olona tsy fantatro anarana,

JODA RAZAKASOA
2017
--------
Rohy:
1026 1
Mpakafy: mafyloha3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181