HIARAKA HITOLONA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIARAKA HITOLONA

Handeha hiaraka hitolona anaty asa-soratra
raha toa ianao poeta tena tia tanindrazana!
ny fery navelan'ny mpanjanaka,ekeko mbola manolatra!
fa ny tanindrazan-tsika e,aza avelanao ho ngazana!
fa fantsio an'eritreritra,
ataovy mandravaka ny efitrin'
ny tontolonao rehetra,
ary ataovy tarigetra
hoe;"izay mitia ny fireneny,
izay manandratra ny teny,
izay manaja ny SATANY
dia masina hatramin'ny vatany"

poeta o! meteza ianao hitolona,
arindrao ny fiarahamonina
fa mikorontana isan'andro,
tolory tanana ireo tsy manana nahandro
dia mivavaha hoan'ny firenena,
hivavaho ireo tia tena
mba ahalala ny manodidina azy,
dia meteza tsy hivazivazy
ao anaty asa-soratrao,
fa raha azonao atao
dia...
handeha hiaraka hitolona anaty asa-soratra
raha toa ianao poeta tena tia tanindrazana,
ny fery navelan'ny mpanjanaka,ekeko mbola manolatra!
fa ny tanindrazan-tsika e,aza avelanao ho ngazana!
satria ianao poeta!
ilay manafaka hetaheta
eo anivon'izao tontolo izao,
"poeta izaho,poeta ianao"

JODA R.
--------
Rohy:
860 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177