HISAMPANA ROA... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HISAMPANA ROA...

Raha ampy anao ny fitiavako
nahoana ianao no nandositra ahy
hambarao ahy re rahavako
fa izaho efa manomboka manahy

fa

ianao efa manana olo-tiana
izay afaka hameno ny banga
aleoko mihintsy mangina
satry ity fitiavako toa jamba

hanao izay tsy hitia anao ny foko
,ny saiko koa tsy hanembona intsony
aoka izay ny toloko
iangaviako ny foko mba hotony

tsy ho neniko ny hanadino
ireo lasantsika feno fahasambarana
raha toa ianao tsy mino
dia izao ankehitriny izao ny famaranana

hisampana ary hizara roa ny lalantsika
ianao andrefana,fa izaho antsinana
io masoandro io tsarovy fa mbola hibaliaka
ary io volana io koa mbola ho fenomanana

Razakasoa Joda(...2016)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
998 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105