IO MPITONDRANAY IO (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO MPITONDRANAY IO

...Io mpitondranay io,
Ray o! raha toa ka sitrakao,
mba tolory fo madio,
mba omeo saina vaovao,
fa mitoetra sy manjaka
ilay ratsy ankehitriny!
izay rehetra teo,toa namela ratra
sy nampitondra hirifiry

Ray o! miangavy,mitalaho!
mifona indrindra,aza faizina !
henoy ny feon'ity zanakao
fa tafalatsaka anaty haizina,
aza avela hanjaka intsony
ny fandrik'ilay ratsy,
o ry Ray ao ambony o!
mijaly anie ny malagasy e,

hifonako indrindra indrindra,
ny amin'io mpitondra io,
omeo azy ny fiainana mirindra
omeo azy ny fo madio!
omeo azy ny saina vaovao
ahafahany misaina ny aminy,
mba sasao ny ao anatiny ao
fa mbola mila azy ny taniny,

Anao ny fanjakana sy hery
ary ny voninahitra mandrakizay,
ity fireneko,tantano tsy ho very!
fa manantena anao ry Ray

~JODA RAZAKASOA~10 jona 2017(07:20)
--------
Rohy:
839 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154