You are here: home > Vetso

MBOLA MANANTENA - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

MBOLA MANANTENA

Hatreto aloha tsy tiako ho fantatrao
fa ao anatiko ao hatramin'izao
dia...mbola manantena anao,

na ny diary mitahiry ny lasan-tsika roa,
na ny kisarisary maro ao am-po,
dia mbola mamerina ny salovatavanao
ary koa...ireo zavatra natao!

tsy haiko fa hatramin'iny nandaozanao iny,
dia mivolombolom-pahatsiarovana ny fahiny
ny tontoloko rehetra...
saingy ny fotoana nanam-petra e!

ary rehefa tonga indray ny alina,
dia akom-pahatsiarovana manako
toy ny hika anaty lalina
no reko anatiko ao,
tiako mantsy ianao e,

ny sarinao indray mbola eo andoham-pandriana,
ny anaranao mazàna voakalo anaty rima!
Andriamanitra o! tsy haiko ny atao
fa babony tanteraka ny ao am-poko ao,

       saingy...

hatreto aloha tsy tiako ho fantatrao,
fa ao anatiko ao hatramin'izao
dia...mbola manantena anao,

~JODA RAZAKASOA~

Hametraka hevitra

Midira aloha